You are here: home > Vetso

talaho - Nyaritra

Azo vakiana?

tompo o!
ankiniko aminao
ily olon-tiako lasan'ny hafa
any an-tany lavitra any
ianao no hampahery ahy
tsy handrotsaka tomany
raha tendrinao no nilefàny

tompo o!
ampianaro aho hanaiky
tsy amim-panomezan-tsiny
izay rehetra atolotrao
ampianaro aho hanadino
ilay olon-tokana notiaviko
nefa tsy natao ho ahy

tompo o!
toneo ny foko
tsy hisento, tsy hitoloko
amin'ny hetraky ny tany
omeo ahy ny saina tony
na tsy tony tsy ampofoiny
ity foko vonton'ny tomany

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : Nyaritra

Nampiditra : Nyaritra
Daty : 19/04/2008
Mpamangy : 850
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Roa mira iray
Asa ianao iny
ianao
Tsy misy tia ireny
tiako raha...
mety aho