You are here: home > Vetso

Asa ianao iny - Nyaritra

Azo vakiana?

asa ianao iny...!
fa toa hafahafa fihetsika
malaindaim-pamindra no sady vitsy teny
miova toa vahiny
fa tsikaritro matetika
ho misentosento lava sy mitokatokan-drery

asa ianao iny...!
fa toa malomalok'endrika
lali-maso sy hatsatra toy ny avy nitomany
te-hanome tsiny
fa izaho no nandrendrika
ilay sambo vao nisoka nikasa ny ho any

asa ianao iny...!
raha ho velona ahiahy
ka hanilika ny foko mitondra fery lazony
fa iny ilay fahiny
izay namitapitaka ahy
ka asakasakao raha hamono izay nalavony

asa ianao iny...
fa izaho kosa eto
dia vaka sady gina mandinika izay antony
nefa ekeko ankehitriny
ny hijaly sy hisento
ka hidio ny fonao fa ny azy efa nakatony

Mombamomba

Mpanoratra : Nyaritra

Nampiditra : Nyaritra
Daty : 21/04/2008
Mpamangy : 849
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Roa mira iray
talaho
ianao
Tsy misy tia ireny
tiako raha...
mety aho