You are here: home > Vetso

ianao - Nyaritra

Azo vakiana?

ianao ilay milaza fa voafitaka io
ianao ilay nandefitra tamin'ny hadalany
ianao tsy resy akory f'izao no tadidio
vonona aho hanavao ny toerana nialàny

ianao ilay oriory voarombaka fitiavana
ianao ilay nanaja olon-tiana tokana?
ianao tsy irery akory na dia mivesatra fandavana
mbola tiako foana ka toneo ny fo tsy hiontana

ianao ilay honena mahatsiaro indray nylasa
ianao ilay tsy tafandry noho ny sompatry ny omaly
ianao tsy irery akory ka andeha hanova fikasa
hiombom-pahasambarana hanafoana irony jaly

ianao...ianao no tena tiako

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nyaritra

Nampiditra : Nyaritra
Daty : 18/04/2008
Mpamangy : 781
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Roa mira iray
talaho
Asa ianao iny
Tsy misy tia ireny
tiako raha...
mety aho