You are here: home > Vetso

tiako raha... - Nyaritra

Azo vakiana?


       tiako raha...
ho tiako ianao
raha toa ka afaka hanarina ireo lasa feno jaly
tiako raha mandre
ity antsoko efa farina tsy afaka hifaly
fa mijaly ny fitiavako
tsy misy mba mitsetra nofitahin-dava izao
moana tsy niteny
nanaiky ny herisetra resy sady lao
dia nisaona teny foana
ninia tsy nahalala
ireo olona nitia
nivenjivenjy irery tsy nanana malala
namono ilay fitia
ho tiako ianao kanefa
ataoko ahoana indray
ny fomba hanilihako
ny lavenon'ireo lasako?
ireo ratrako hatrizay
moa ho sitranao indray rehefa taitra ny fitiavako

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nyaritra

Nampiditra : Nyaritra
Daty : 17/04/2008
Mpamangy : 824
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Roa mira iray
talaho
Asa ianao iny
ianao
Tsy misy tia ireny
mety aho