Roa mira iray (Nyaritra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny hoe sipa hono dia teny nafohezina toa mahatsikaiky
ny heviny anefa mifono fahendrena tena mampihaiky
misy ny milaza fa Sila-Panahy no mahadika azy
ny sasany anefa misitrika tsy enjehina toy ny voasazy

ny zatovo no seriny tsy laitra raràna amin'io sehatra io
ovaina daholo na famindra na fitafy, satry foana hadio
izay no noheverina fa Sila-Pahasambarana santatry ny ho avy
ka raha tsy feno ireo dia alahelo iraisana tsy sitrana tambavy

ny antsika kosa na vao miantomboka aza dia silany natambatra
andrianina sy sitraka hery iray tarafin'ny volana misandratra
tanjona efa tratra teo am-piandohana fa ho doria mandrakizay
ka leferintsika foana izay ilazàna azy f'efa roa mira iray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyaritra
Nampiditra : Nyaritra
Daty : 24/04/2008 04:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054