You are here: home > Vetso

HAFALIANA MIAVAKA... - AbouNusrayni

Azo vakiana?

HAFALIANA MIAVAKA...

Nisy hafa indray omaly;
Faniriana iray tanteraka;
Tonombavaka nivaly;
Tena lesona mipetraka.

Moa ve tsy mahafaly;
Ny mahita fa nitombo;
Ny ho lavitry ny jaly;
Satria nankato ny Tompo.

Ary tena itiavako azy;
Tsy mba nisy fiarakaraka.
Avy hatrany mariazy;
Hafa m'hitsy sady miavaka.

Izay ilay hafatra ombieny;
Na tsy maro mpankato;
Izay manaraka ny teny;
Tsy mba ho voadona fo.

Ireo ola-miantota;
Mahavoa dia efa hita;
Fa nateraky ny ota;
Sy ireo hadalana vita.

Efa tena voasoratra;
Rah' tsy milalao fitia;
Tsy manandrana, manohatra;
Dia ho sambatr'ho doria.

Ny toa azy ireto ho tafa;
N'inon'inon'efa heno;
Ny fiainany taloh' voafafa;
Ny hasambarany ho feno.

Zoky Abou Nusrayni
10_04_19







Hametraka hevitra

Midira aloha