FITIA VOAHARY (AHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia voahary hisy sampona.
Ilay fitiavako anao,
Fitia voahary tsy ho tanteraka
Fa handalo tsotra izao
Fitia voahary tsy hamelana
Fa hanome fofony ihany
Fitia voahary mba hiserana
Hametra-tsento sy tomany

Fitia voahary tsy hitsimoka
Fa milevona ao anaty
Fitia voahary tsy hitombo
Fa maniry mba ho faty
Fitia voahary tsy hamokatra
Fa hangoka izato fo
Fita voahary tsy ho masaka
Hanimba tena hanimba lo.

Fitia voahary tsy hamiratra
F’ho rakotra haizi’ lalandava
Fitia voahary tsy hirehitra
Ho malo-dava tsy hazava
Fitia voahary tsy hivelatra
Fa hikonbon-doha irery
Fitia voahary tsy hiarahana
hamela ity foko ho very

Fitia voahary tsy hiteny
Nohariana ho tonga moana
Fitia voahary tsy hahita
Nohariana mba ho foana
Fitia voahary ratsy fototra
mirondana indray mipika
Fitia voahary ratsy tenona
Ilay fitia hiarahantsika

Fitia nilaina hampitomany
Nampiodikodina ny tany
Fitia nilaina mba handratra
Hametrak’olatra tsy ho vofafa
Fitia nilaina diso tara
Eny, io ilay fitia tsy anjara

katsua
11-12-2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1469 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AHY
Nampiditra : KATSUA
Daty : 17/12/2012 09:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142