ILAY TSY HARITRO - AHY
Azo vakiana?
ILAY TSY HARITRO
Raha mbola misy ora sendra miato
Eo anivon’ny fiainako
Dia tsy ho haritry ny saiko
Ny tsy haminavina ny endrikao sombinaiko
Raha mbola misy koa làlana
Hahitako ilay alokao
Dia tsy ho haritry ny tanako ny tsy hanakana
Satria mantsy ‘zaho te hamihina anao
Raha mbola misy koa ravina iray
Hahitako ireo rango-tànanao
Dia tsy ho haritro ny tsy handray
Mba ho fahatsiarovako anao
Eny,na lavitra anao ary izany foko
Na koa,mifanalavi-toerana aza isika
Dia tsy ho vitako tokoa
Ny handika ireo lasantsika
Manoratra aho ka misento
Satria ianao any ,izaho eto
Tsy afaka mifampijery,tsy afaka mifampitsinjo
Kanefa na izany aza,tsy ho vitako ny hanadino
anjara
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : AHY

Nampiditra : JaoAnjara
Daty : 25/03/2015
Mpamangy : 1584
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY FO TOKANAILAY FITIAVANA MAHERY
Mitsikia aloha fa io ny a
mitomany aho
Iza ary aho?? Maraina ny
LAY FOKO TIA
Fanahy
FANJAKANA LAFATRA
MISAOTRA
NY PENIKO