Mitsikia aloha fa io ny a - AHY
Azo vakiana?
Mitsikia aloha fa io ny androany
Tsy hay atao ahoana izay efa lany
Indrindra moa ny vita omaly
Mitsikia aloha f’efa io ny androany
Ny nenina ange miandry any aoriana
Ka raha irianao ny hitohizan’ny hafaliana
Dia miezaha ny tsy ho tezitra anio
Ary mitsikia fa ny androany efa io!
Ny mahasosotra mahasosotra eny ihany
Mety hitombo aza raha tazomina hatrany
Fa raha ovaina hafaliana izy androany
Rahampitso tsy ho sosotra izany
Mety hadino hatramin’ny tomany
Mitsikia f’efa io aloha ny androany
Raha mbola misy koa ny fotoana
Dia mety hitranga eny foana
Izay mahatezitra sy manorisory
Fa ny fiainana tonga dia tsory
Itsikio fa aza itarainana
Fa ny tsiky manova fisainana
Androany aloha mitsikia
Dia milaza ihany koa fa tia
Tianao ny mifaly hatrany
Sy Manatsara ny fiainana an-tany
Tohizo ary omeo ny rehetra
Ilay tsiky maha tsara toetra
Dia aza ferana noho ny ahiahy
Fa rahampitso enao mety hitsiky tsin’ahy
Ka ho tadidinao ilay teniko anio
Mitsikia fa ny androany efa io
R.R.M
Mario Gasy Part 2016
Mombamomba
Mpanoratra : AHY

Nampiditra : MarioGasyPart
Daty : 19/12/2016
Mpamangy : 1068
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY FO TOKANAILAY FITIAVANA MAHERY
mitomany aho
Iza ary aho?? Maraina ny
LAY FOKO TIA
Fanahy
FANJAKANA LAFATRA
ILAY TSY HARITRO
MISAOTRA
NY PENIKO