Tsy hay (AHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kapoky ny lanitra ve sa anjara tandrify
Sa efa tsiron' ity fiainana,ny mamy sy mangidy
Ka vintana tsy nety ary, sa lahatra efa diso
No izato tsara efa niainana no tsy hitohy ampitso...

Toa nandalo sy niserana ilay fitiavan-tsika roa
Na dia nisy aza, tsy nitoetra,ny kanto sy ny soa
Tsy fantam-piaviana, fa toa nisy tery nampitsahatra
Ilay fiarahan-tsika mba tsy ahazo fahatra....

Tsy nodisoam- piaramonina na tenin- dray sy reny
Fa tampoka tsy hay, dia rava ho azy teny
Toa nampiasa saina, no nila handratra fo
Fa ireo kinasan-tsika dia ho nofy avokoa....

Inona no marina..?toa tsy haiko hazavaina
Na ianao aza...tsy manam-baliny ho tsaraina
Fa ny indrokely tsapa, sy azoko ambara:
Dia be loatra ny ara-nofo ka tsy tsara....
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105