alina - AINA77
Azo vakiana?
tao anaty alina mangina
no namoronako ity vetso,
teo ambonin'ny fandriana,
tsy mba matory fa misento,
mandefa saina any ho any,
toa very very ny fanahy,
moa e, ve eto an-tany ,
mba misy mijaly toa ahy,
loko tokana no mba tazako,
dia ny maintmainty izany,
ranomaso manenika ny tavako,
ho aiza mo fa eto iany,
akon'ny alina mangina,
sisa reko mandrotsirotsy,
satria tsy hita ho vinanina,
izany hahita loko fotsy,
feon'angely no mba namana
sy rivotra misasosaso
saingy tsy hita ho raisintanana
na hantenaina hanafosafo
mba any hazoko antenaina,
ary manentena koa ny foko,
mino aho fa ho avy ny maraina,
ka ny mainty hiova loko
(mety mbola hitohy)
Hevitra mandeha
Vitsikakely (08/06/2008 08:38:56)
ao tsara kah,tohizo fa tena
tsara a
endrika01 (08/06/2008 11:09:57)
f'angah tsy asiana jiro ry AINA77 lasa loko tokana ihany ,hi hi hi,tohizo e!
Mombamomba
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77Daty : 01/06/2008
Mpamangy : 1798
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
RahaAndyh & Rhiady
vavaka
tsiaro nandalo
anatin'ny bika
misy takona
indray andro ee
fitia fahiny
embona