You are here: home > Vetso

Andyh & Rhiady - AINA77

tsikitsikim-pifaliana
feno haravoam-panahy
lavitra ahy ny fahoriana
nisinda teo ilay ahiahy

aleo aloa hitsiky kely
fa tena faly aok'izany
satria nahazo zazakely
dimby sy fara eto an-tany

misaotra anao aho ry  Ray
indindra era-po era tsaina
zaza roa fa tsy mba iray
no nomenao ahy ho tazaiana

ny andefimandry nomenao
sady fitia no hoe anjara
mino aho fa tena didinao
ny nampikambana ny tantara

mbola ho lavitra ny lalana
lalambe toa migodàna
RyTompo o mba tolory tanana
mba tsy ho azon'i satana

izaho sy ilay notolorako fitia
dia samy vovnona hiady
ho fanasoavana an'i Andyh
toa izany koa  Rhiady

natolotra manokana
ho an'i Andyh,Rhiady,Evah
ilay zaza roa tsy tokana
indrindra2 ilay silam-panahy





Sokajy : Fifaliana

Mombamomba

Mpanoratra : AINA77

Nampiditra : AINA77
Daty : 08/03/2014
Mpamangy : 617
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Raha
vavaka
tsiaro nandalo
anatin'ny bika
misy takona
alina
indray andro ee
fitia fahiny
embona

Hametraka hevitra

Midira aloha