Aza resy... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza asiana jery akory irony mason'ny tsy tia
tsy mila sento na dia kely, fa ataovy sanatria
ny alahelo, ranomaso, alaviro ka fongory
sao izay hadalany any no tsy ahitanao tory

Aza saininao mihitsy, avelao any ny azy
fa raha izy no hoe diso dia ho azy koa ny sazy
fa ny fiainanao mitohy sy tsy hisy disadisa
aleo izy no aoriana, ho voalatsa, hamisavisa

Rehefa izay no hany tiany, avelao izy handeha
fa ny fahendrenao no tazomy ho rehareha
sanatria handavo-tena ka hoe ratsy no hatao
ndeha zory ny haleha, mitady lalana vaovao

Aza mba miantso tody, fa iny aleo hivalona any
fa hoe izy nampijaly ary koa nampitomany
Fa lavo ahay hitraka, raha voafingan'ny fitia
Aza resy, matokia, mbola ho avy ny ho doria

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 20/04/2011 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146