fanantenana (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tadidio fa misy foana
ny sakafo raha hoe noana
na dia kely sy tsy tsara
fa mba atao hoe sahala

misy ny andro mafimafy
ka voatery mampihafy
misy ny andro tsy apoizina
mapijaly toa andevozina

na sahirana aza ny tena
ka mijaly, mahonena
diniho anefa ny any an-kafa
fa fijaliana, jafajafa.

aleo ny saina atao ambony
fa tsy ho takatra irony
lanitra avo, tsy voatsapa
izay famonjena fa hoe lapa

fantaro fa mandalo ireny
ary misava tsy ankiteny
toy ny fahatongavany iany
satria izany ny eto an-tany

ny mazava hoavy foana
ny masoandro hanafoana
ilay haizina nandalo
ilay natao ho fahavalo

raha ny kivy tsy hatao
fa hamafiso ny sainao
hisy tsiky, hazavana
hitondra soa sy hafanana.
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - fiainana
1183 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 25/03/2010 08:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267