Lasa ianao (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mardi 4 mai 2010
17:15

Anio vao maraina
Nahenoko ny taraina
Oe nandao anay ianao
Tsy izany nefa no tinao

Fantatro fa mafy marina
Ny te hiainga tsy tafarina
Nanome ny toky hoe
Ho sitrana fa tsy handeha

Indrisy anefa fa tsy tody
Ilay fitiavana ny hody
Hiaina toy ny isan'andro
Ka hikarakara sy ahandro

Ny rainao sy reninao
Ory tokoa nilaozanao
Ireo zanaka sy vady moa
Dia tsy hahita anao hifoha

Fery tsy sitrana oviana
No lazaiko ry ilay tiana
Fa ny fahalasananao
Dia fahoriana sy talaho

Na maro aza ny ala-nenina
volana maro tsy afenina
Izahay namana sy havana
Dia niandry am-pitiavana

Nefa tsy avotra, indrisy
Ilay fiverenanao tsy nisy
Fa dia lasa ianao tsy tana
Dia navelanao ny akama

Iriako mafy ilay Ray naka
Mba handamina tsy ho vaka
Satria ireo olona rehetra
Nilaozanao dia manjoretra

Handry ampiadanana tokoa
Ho sakambinin'i Tsy toha
Ny fanahy soa izay nandeha
Ka hanjary ho rehareha


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
1531 0
Hevitra mandeha
arialy ( 22/05/2010 13:37)
Atolotra manokana oan'ilay akama lasa , nanana fanantenana sy fitiavana be dia be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 22/05/2010 13:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142