Nofy ... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao izay nandao
20 taona lasa izao
tamin'ireny aho mbola kely
ka tsy haiko velively
Oe tsy hiverina ianao
Fa niandry amin'izao
nanontany tena foana
tena niandry ilay fotoana

Nony ela taoriana
Dia tena nisy faniriana
Ny hifankahita indray
Hoy i dada: "nofy izay"
Nazavainy tsara tamiko
Fa hay ny dianao ry mamiko
Dia tsy hiverina intsony
Fa efa nody any ambony

Nandinika aho taty aoriana
Fa isika nofidiana
Tsy hifanerasera loatra
Raha oe misy ny any ankoatra
Fa nahoana loatra re
Ianao no dia nande(ha)
namela ahy hiady irery
tsoriko aho fa tena very

ny fitiavana ao ampoko
Na mapiteraka toloko
tsaroako lalandava izao
ka mahatonga ahy hitalao
Rahoviana no hihaona
ka hilalao mandavan-taona?
Hameno ireo izay tsy vita
Nofy, satria enao tsy hita...


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1021 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/03/2010 10:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145