Ny eto... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy no tsy mahalala fa ny eto dia mandalo isika
ny nahorina an-taona maro, iray minitra dia jifa
tsy mitsitsy ireny loza ireny ka avy dia manapitra
ka na hoe firenena mafy dia ataony vono-lalitra

ny eto moa dia toy izany, ezaka tsy misy fetra
nefa ianao poa tahakizay dia mandao ny rehetra
na ny tia na ny mankahala eo dia samy tafaray
izany no miseho rehefa tonga ilay hoe mahafay

Mitovy daholo na ny manana na ny hoe mahantra
rehefa iny eny ny rehetra fa samy voa sy maratra
na ny fo, ny saina koa moa lasa toa domelina izany
ka tsy atao ny misehoseho sy manavaka eto an-tany

Ho aiza moa isika eto rehefa hiala ilay hoe aina ?
moa tsy samy ho misento ary koa dia mitaraina?
mitovy foana ny zava-miseho rehefa samy etoana
ka fadiana ny manenjika sy mihomehy ny misaona

Ny ao ambony no hangatahina hampihena ny hoe jaly
sy hampitobo hery ireo izay tra-boina vao omaly
Izy irery no hoe vonjy, afaka hanampy an'izay voa
na mafy aza ny mahazo, ankinina amin'i Tsy toha.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1020 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 17/03/2011 08:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147