ALEO MANGINA (ANDO ROCHELINAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO MANGINA




Aleo mangina
Raha ilay olon-tiana
No tsy miraika aminao:
Aza miteny tsotra izao!

Aleo mangina
Fa velomy ny faniriana
Alaviro ny sento sy tomany:
Fa mitsikia hatrany

Ilay fanantenana no hazony
Fa mbola hihiratra ny fony;
Ny fahendrena no tohizo,
Ny fahalemem-panahy vohizo

Ny herin-tsaina aza ariana
Fa trotroy ilay fahatokiana
Ny herim-po no tokony hampiana:
Fa ny vava! Aleo hangina

Any aoriana any
Dia mbola ho tsapany ihany
Lay alahelo nokoboninao tanaty
Tsy navoakanao na dia mila tsy tanty

Arovy tsy hitraotra àry ny fo
Fa hatrakao hatrany ny loha:
Matokia, mbola hisava ny fijaliana
Fa ankehitriny: aleo aloha mangina !




ANDO ROCHELINAH
andorochelinah@yahoo.fr
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1854 1
Mpakafy: rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVY
Daty : 11/01/2007 05:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136