Tiako ny miaraka aminao (ANDO ROCHELINAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fefika ditra ny tany,
Mitombo ny fitiavan-tena
Maro, eny, sesilany
Ireo mpandratra…mampahonena


Hafa anefa ny manana Anao
Tsy kivy, tsy mety potraka
Na mitranga aza izao olana rehetra izao
Ny fahasoavanao no mirotsaka


Ireo halemen’ny nofo mahasolafaka
Efa niara-voaombo tamin’ny hazo fijaliana,
Fa ny zanakao tena miavaka
Tondrahanao hery sy hafaliana


Koa ny dina mipololotra anaty
Dia ny hitia Anao mandrakizay
Hanompo, ho vavolombelona mandra-maty
Hiezaka ny ho mendrika Anao ry Ray


Hanaporofo amin’ireo namana
Fa ny ditran’ny tany tsy mahasoa
Ianao irery no tena làlana
Hany mampiadam-po


Koa raiso ny dera sy laza:
Tena mendrika ny fiandriananao
Izaho kosa hitohy hilaza
Fa “tiako ny miaraka aminao”
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana
1713 0
Hevitra mandeha
mimisou ( 11/12/2006 11:09)
tsara rehefa mahatsapa fa mila an'andriamanitra fa izany no ilaina eo amin'ny fiainana
lailosy ( 19/01/2007 17:21)
tsara fa tohizo fa tsy misy mahavita afa tsy ny Tompo eto antany ary izy ny nampihisy zao rehetra zao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVY
Daty : 11/12/2006 04:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103