You are here: home > Vetso

Malagasy aho - ANDO ROCHELINAH

Tsy mahamenatra ahy ny mijoro ho Malagasy
Na iza hihomehy na iza hanabanty
Dradradradraiko na aiza no aleha
Hindrahindraiko  fa gasy aho re !

Malagasy ray, malagasy reny
Malagasy rà, malagasy fiteny
Eny fa hatramin’ny tsinay lalina
Gasy petaka, tena gasy marina !

Koa hizingiziniko izany mandraka izao
Ary ijoroako na inona atao
Na talenta, na asa, na fianarana
Dia hanehoako fa gasy no anarana

Ka na eo aza ireo lamaody avy an-kafa
S’ireo safiotran-teny mila handratra
Ny efa safidiko dia ny handalina hatrany
Ny maha malagasy, dia malagasy ihany

Amin’ireo fomba sy fanao mahaliana
Ny malagasy anisan’ny ataoko tiana
Andrianiko, eny hatrany anaty
Na “ntaolo malagasy” aza aho, hoy ny mpanaratsy.

Koa manentana antsika mpiray firenena
Raiso ny hafa fa aza ariana ny an’ny tena
Aoka tsy ho menatra ny maha-izay intsony
Fa asandrato i Gasikara ho ambony.


Ando Rochelinah
(033 12 715 21)

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

stella1 (29/04/2007 13:36:26)

tsara fa tohizo sady marina tokoa izany

meljah (11/04/2008 13:53:43)

okaa ré marinaa milayy éé