HANOMPO (ANDO ROCHELINAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANOMPO


Tontolo tsy hay tohaina
No natobakao tety;
Na iza na iza velon’aina
Tsy diso anjara, samy mankafy

Naposakao ny masoandro
Hamafa ny rahon-taraina,
Nasianao koa ny andro
Hanazava ny alina mampalaina

Ireo mangidin’ny tany
Mandalo, tsy mahazo laka
Mipetraka ho fitsapana ihany:
Ny herinao no tena manjaka

Koa raiso ny voninahitra
Fa mendrika ny fiandriananao ;
Izahay kosa tsy hitsahatra
Hanompo, n’inona atao


ANDO ROCHELINAH ( 25 oktobra 2006)
andorochelinah@yahoo.fr
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVY
Daty : 11/01/2007 05:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0286