MITSIKIA - ANDO ROCHELINAH
Azo vakiana?
MITSIKIA …
Raha mikiky ny adin-tsaina
Izay mandifotra ny aina;
Dia aza mandrotsaka tomany
Fa lalàm-piainana izany
Ny ady, ny tsy fanànana
Aoka tsy ho vato fanakànana;
Milofosa, misalorà toky
Raha mino tsy mba handry fotsy
Ny fahoriana, ny fahafatesana
Mafy tokoa raha iaretana;
Nefa nofo isika, ikorianan-drà
Ka raha lahatra, aza mandà
Ireo olam-pitiavana maharary
Ezaho tsy raketina fa mampijaly;
Aza mitomany izay ho malala
Fa mipoitra eny foana ny anjara
Tadidio…
Ny sompatry ny tany tsy azo ialàna
Ny olon-tiana mandao, tsy azo raràna
Nefa mitafia faherezana hatrany:
Fa ao ny tsiky, hisolo ny tomany
Mitsikia…
Ny raho-mitatao mbola ho rava,
Ary ny ali-mikitroka tsy maintsy hazava
ANDO ROCHELINAH
andorochelinah@yahoo.fr
Mombamomba
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVYDaty : 11/01/2007
Mpamangy : 1489
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSIAMBARATELONAO RY KANTOVOAGADRA ROJO VY
Manina havan-tiana
HANOMPO
BOSESEHO
ALEO MANGINA
Malagasy aho
Reviens
Tiako ny miaraka aminao
TSY ORY