You are here: home > Vetso

TSY ORY - ANDO ROCHELINAH

Azo vakiana?






Ritsoka mangina
Manainga nofinofy
Ny miantsa ho anao olona tiana
Mitondra rotsirotsy


Toa andon’aina
Manamandina ny anaty
Ireny siotsiokam-pitia
Rehefa injay tafara-dia;
Izay làlana ombàna
Tsy ory hazavana.


Irony topi-masontsika
Zary masoandro baliaka
Nampiredareda afom-po
Midorehitra tokoa.


Raiso ho silaka forohana
Ity vetsom-po mangina
Ka ny tenin’ito fo tohana
Dia ny hoe:
“Raha misy ny hafaliana
Aminao tsy mba…
Tsy ory hamamiana
Satria tena tiana”




(andorochelinah@yahoo.fr)

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

ledada (19/12/2006 06:16:52)

ny ahy ny fandaharana tiako indrindra ao @ TV dia ny météo, ts ilay fandaharana no tiako fa ny hahita ny endrika sy bikanao kanto mandritra ny minitra vitsy²...tena tsara ianao e!