You are here: home > Vetso

IMASONAO... - andriafa

Azo vakiana?



Imasonao no notoazako
'reo teny mamy izay filazako.
Avy ao ampoko no ivoarany
ary aminao no ifaharany

Imolotrao no nangalako
'reo hantahantam-padalako
Ka ny hanitra sy ny hatsaràny,
dia aminao no hiafaràny

Imasonao, imolotrao
No nagalako izao sy izao
Ka ny hany faka ifaharako
Ianao 'lay tokako, fitiavako

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

fanoandria (19/06/2010 06:26:34)

Ny tena fitiavana dia miloaka avy ao am-po, ary ho taratra eo imaso
ny tena tia dia mizara tsy mitady valiny
ny tena tia dia amin'ny fotoana rehetra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : andriafa

Nampiditra : fanoandria
Daty : 19/06/2010
Mpamangy : 875
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RESATSIKA
KISENDRA
MBA...
FIAINAKO...
RESY AHO
TENY FARANY...
TAHIRY