You are here: home > Vetso

Aleko tsisy... - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Aleoko tsisy...

Zovy indrindra moa ianao, ry mpandalo saro-tiavina
Sahy manao soamaroroka amin-damba kararavina ?
Ndrao handatsa ano lahy ‘rony tselatra miantefa
K’aza enti-kiry loatra sao ny aina no manefa
Tsy mba henonao va re, zany kotroka mitrena
‘za akory tsy hitalao, Sanatria, hoe miverena

Fa ny ahy aleoko “Vary soa” hiadanana amim-patsa
Toy izay ‘reo “Hanim-pia” ho sesefana amandatsa
Ny ahy aleoko loharano, kely mitsitapitapy
Toy izay ‘reo manodoka, toa rano ambatolampy
Ny ahy aleoko dia tsy misy, raha fitia mamilafila
Ka mampivadi-po mazàna, toy irony kankan-jila

Eny, ny ahy aleoko tsy mitia, toy izay ampirafesina
Zary toa sanatria, volamena harafesina.

              A.L.J.

28-04-05       16h06

Sokajy : fiainana, fitiavana

Hevitra mandeha

pisokelly (02/05/2005 16:04:16)

lalina be 'lay izy!
fa mba azo fantarina ve we miresaka an'iza?

johan (31/05/2005 11:16:25)

mahatsiaro! asa raha tadidinao?

Hametraka hevitra

Midira aloha