Aleoko maty! (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko maty!

Ry fahafatesan’ô tongava,
Tongava faingana ianao
Fa fijaliana lalandava
No hianako izao
Any aminao any ve
Tsy hisy fifaliana?
Aleo aho handeha
Fa ela niafiana

Omeko fahefana ianao
Amin’ny fianako mahantra
Alaivo aho ‘zao de zao
F’aza avela haradratra
Fa ireo tsy tia ahy
Efa faly aok’zany
Ka aleo aho ho fanahy
Fa tsy tiako ny eto antany

Ry fahafatesana ô tongava
Fa tsy hisy afa tsy ianao
No antenaiko hampisava
Ny raho-mainty mitatao

A.L.J.
19.04.05 17.42
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
2577 3
Mpakafy: johan - rainf - minoucsh
Hevitra mandeha
chipie1 ( 19/04/2005 18:16)
fa de nahoana ? aza maika ny ho faty , fa mbola ho lasa foana e! tsy zany no vahaolana
Mandefitra ( 20/04/2005 09:17)
"Ny fahafatesana no tambin'ny ota"
eh ( 20/04/2005 09:59)
aza d mamoifo ê! mbola betsaka ny azo atao! mahereza!!!
volana1 ( 20/04/2005 10:30)
Za ko zany mba te-ho faty mahita ito tononkalo ito
Miarantsoa ( 20/04/2005 15:33)
Amin' ny fitsoahana ve no iheverena hahazoana fandresena ?
Sarotra be 'zany !
Sady tadidio ilay hoe Tempolin' A/tra ilay tenanao!
Mahereza
proost ( 21/04/2005 12:55)
Hi
ara maty aminao aho ry sakaiza
johan ( 23/04/2005 06:12)
Aleoko maty tsy aharé
reo fijaliana marobe
zay tsy ho foana eto antany
na fahotana aza zany
mino aho fa Andriamanitra
hanome ahy ny lanitra
satria aho nijaly loatra
ka hampiadana ahy any ankoatra
jentilisa ( 25/04/2005 14:31)
Mijaly aho fa tsy mitady fahafatesana.
Ny fahafatesana koa tsy mahafoana ny faharenesana.
sao rehefa any amin'ny tanin'ny fahafatesana vao ho feno fanenenana.
Hoe tsy foana ny alahelo, tsy foana ny hakiviana.
Izaho anefa eto an-tany mbola mety hanam-pifaliana.
fiaritiana ( 25/04/2005 16:00)
eh , tsy hita izay tenenina, mampalahelo loatra , mba mijaly koa ny mpamaky e
johan ( 26/04/2005 07:48)
aleoko indray zany velona
fa tsy aleoko maty indray
fa segaondra indray mielina
ny eto antany indraindray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145