Ampy izay ! - Andriamihaja Johan (H-mainty)
Azo vakiana?
Nahoana aho no tsy maintsy
Hanaiky fangejana
Terena mba hiaiky
Hitrotro fahantrana?
Tsy avelanao hitraka
Hahita masoandro
Ka ozona, ompa, daka
No sakafoko isan’andro!
Mba hainao moa
Fa tsy tsara akory
Ny manadrana mamoha
Liona matory
Nihevitra angamba ianao
F’izaho tsy hisoka-bava
Kanefa ‘zaho aho lao
Satria ‘ty toa efa ho lava
Ampy kosa zay eh
Atsaharo hatreo
Fa ho ataoko mahamay
Raha mbola ampiaka-peo
Hatram’izay ve
Ianao foana no mandidy
Ny tenako jeré
Toa olo-farafidy
Fandeferana anie reny eh
Zay no tsy nosaininao
Fa ngamba aho raha niteny an
Sanatria tsy ho toy izao
Ka ampy zay fanindroany
Ny fandefaran-dehilahy
Raha toa ianao tsy hitony an!
Dia ataoko mahalala ahy
18-04-05 15h35
Mombamomba
Mpanoratra : Andriamihaja Johan (H-mainty)
Nampiditra : johanDaty : 18/04/2005
Mpamangy : 1252
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Miandry foana ...'lay fitiavanao
Tu vas me demander....
Matokia
Tsingerin-taona
Omeo tsiky kely aho.....
Volana ô meteza!
Adinoy izy!
Parles-moi!
Nofy