Ampy izay ! (Andriamihaja Johan (H-mainty))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana aho no tsy maintsyHanaiky fangejana
Terena mba hiaiky
Hitrotro fahantrana?
Tsy avelanao hitraka
Hahita masoandro
Ka ozona, ompa, daka
No sakafoko isan’andro!
Mba hainao moa
Fa tsy tsara akory
Ny manadrana mamoha
Liona matory
Nihevitra angamba ianao
F’izaho tsy hisoka-bava
Kanefa ‘zaho aho lao
Satria ‘ty toa efa ho lava
Ampy kosa zay eh
Atsaharo hatreo
Fa ho ataoko mahamay
Raha mbola ampiaka-peo
Hatram’izay ve
Ianao foana no mandidy
Ny tenako jeré
Toa olo-farafidy
Fandeferana anie reny eh
Zay no tsy nosaininao
Fa ngamba aho raha niteny an
Sanatria tsy ho toy izao
Ka ampy zay fanindrony
Ny fandefaran-dehilahy
Raha toa ianao tsy hitony an!
Dia ataoko mahalala ahy
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
zandrikely
(
20/04/2005 18:52)
misaotra fa tena mankahery ilay tononkalo ary tena zavatra marina sy misy no voalaza
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriamihaja Johan (H-mainty)Nampiditra : johan
Daty : 18/04/2005 13:31