Iza loatra ...? (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza loatra ...?

Iza loatra moa ianao, zay mazàna hisentoako,
Ary fomba manao ahoana no namatoranao ny foko ?
Fa mitarika ny saiko, hiampita lavitr’any
Ry ampitso ô lazao: “Iza loatra re izany?”

Iza loatra moa ianao ‘zay mikalo faniriana
Ho mpitantan’ity foko?
Ho eny andala-misitery, ‘zay sakaizam-pifaliana
Sady havan’ny toloko
Azafady mitenena, ka ambarao mazava tsara
Mba ahaizako mamaly
Na ho eny na ho tsia, na ho ratsy na ho tsara
Tsy hisian’ny fo mijaly

Iza loatra moa ianao ‘zay mivoady fa hisotro
‘rony kaopi-pijaliana
Sy manaiky ka miteny fa hiaraka hitrotro
‘zany lisim-pifaliana?
Azafady mitenena hoy ‘ty zaho ankehitriny
Fa angamba ho ekeko
Raha tsy ‘zany kosa mantsy dia anaovako aza-tsiny
Fa tsy ho henonao ny feoko

Izay no izy fa veloma, nefa kosa tadidio
Ary raha azonao atao
Dia anaovako azafady, raha mba mety re valio
Iza loatra moa ianao?


A.L.J.
25-04-05 10h00
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1524 3
Mpakafy: johan - pouty5 - rainf
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 25/04/2005 16:03)
iza loatra moa ianao manoratra tononkalo tena ao amin ilay tena izy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014