You are here: home > Vetso

Tiako ianao - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?



Nomeko anao ry tiana, ny amiko rehetra
Nomeko tsy vidiana, nomeko tsisy fetra
Tsy misy hafa tsy ianao, no mibahana ao an-tsaiko
N’inon’inona atao, dia ianao no ho lalaiko

‘lay endrikao kanto, ny tsikinao miangola
ny famindranao milanto, sarotra hadinoina
Falifaly lalandava, raha eo anilanao
Reo aizina nisava, toa mety izay atao

Ka indro ho vetsoiko , manomboka anio
“Ianao no tena tiako”, izay no tadidio.


                A.L.J

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

bichette (08/09/2005 09:04:46)

tsara e !

fiaritiana (15/09/2005 13:56:38)

milay e, zay indray enao vao hita a!

tiakowam (16/09/2005 08:31:38)

trop bien

johan (19/09/2005 08:26:50)

misaotra eh!

fiaritiana : sahirana kely teo eh lol