Zao no ora fahafiry? (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao no ora fahafiry no manjombona ny foko
Mahare mangirifiry, mitaraina, mitoloko !
Sento lalina dia lalina manindrona any anatiko any
Ny vatako toa fanina, ny masoko tomany

Izao no ora fahafiry no manjombona ny tany
Ary firifiry koa no mba mahatsapa ’zany?
Haizim-pito avokoa, izay jereko rehetrarehetra
Manaikitra ny loha, mila hipoaka mila hitretra

Vaky re ny saiko ah, mamantatra izany
Ary izany aiko ho tapitra eto ihany

Koa iangaviako ianao anio, mba handinika lalina
Dia avy eo valio, zao ve no mamantonalina ?


A.L.J
15.04.2005
09:06
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1580 4
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 15/04/2005 14:38)
izao no ora fahafiry hilazako aminao
fa raha mbola eto an tany tsy maintsy mangidy ohatra izao
nefa tsarovy indray andro any
fa hisinda ireo toloko
izay nampijaly ahy ,nanindrona ny foko
proost ( 18/04/2005 10:45)
ny ora aloha tsy fantatro fa hazoko ambara dia izao ao aminao tokoa ilay talenta ananan'ny mpanoratra
mirary soa veloma
PROOST
johan ( 19/04/2005 06:54)
Fiaritiana , Proost>> misaotra anareo namaky eh! fa mba ahitsio ihany raha misy tokony amboarina sao dia manitsaka eo aho! :-)
SOBIKA ( 25/04/2005 15:13)
eny wa fa de ora fahafiry tokoa izao no toa mangidy lalandava no tazana eny ho eny
moa misy hahavaly hoe aiza ho aiza isika izao no toa miharendrika sy fefeika
ilay sambo misy antsika ka toa mahalatsadranomaso!
Soa fa mbola ho avy ny maraina izay hahafoana ny taraina !
ka ny varisoa amin'ny atoandro hiova vary maina.
mazotoa eh!!
Fenohery ( 13/08/2005 15:17)
Efa ora maromaro no nisy hiaka toy izao
Saingy hiaka mifangaro dia ny ahy sy ny anao!
Fa ny sahanadintsika dia tsy fantatra izay fetrany
Fa izay marivo sy salosana dia aringany ary asesiny.
jentilisa ( 06/09/2005 15:34)
mahafinaritra ny firindran'ny tononkalonao amin'ny ankapobeny. Tohizo fa sao mba ianao no handimby an'i Rado e!
johan ( 07/09/2005 14:51)
jentilisa : misaotra @ ilay fanohanana fa ilay hoe handimby an'i Rado kosa klo sarotra be eh lol
zoky ( 12/10/2005 10:58)
Tena manantalenta @ fanoratana tononkalo,tohizo fa tsara fa izahay vonono haka-fy sy hanohana hatrany...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104