You are here: home > Vetso

TENA FITIAVANA - ANDRIANAIVO PAUL

Azo vakiana?

Fitiavana  tena  izy,
Lazaiko  anao  tsy  ankifidy,
'Zay  hitsin'io  fa  io,
Henoy  tsara  tadidio.
   Ny  tiakambara  dia  izao,
   Ho  soratako  ho  fantatrao,
   Fa  ny  fitiavana  tena  marina,
   Manampy  ny  tia  ho  tafarina.
Ndrao  hary  fitia  sotasota,
Fadio  fa  fositry  ny  ota,
Raha  arena  no  hoenty  mitia,
Hanenina  rehefa  tonga  arÿ.
   Fitiavana  tena  izy  no  ambara,
   Kolokoloina  hitoetra  ho  tantara,
   Mifandefitra  raha  misy  ny  diso,
   'Zany  no  miantoka  ny  ampitso.
Ny  tena  tia  lazaiko  ihany,
Fifanapiana  no  atao  sesilany,
Fitia  madio  mora  fanahy,
Tsy  mitady  ny  hahasoa  ahy.

        Antsirabe  le  15/02/18  à  12:30pm

Hametraka hevitra

Midira aloha