NY IANAO - ANDRIANAIVO PAUL
Azo vakiana?
NY IANAO
Tazako manangasanga,
Anaty tsikinao malefaka,
Ny aim-panahy ilain'ny fiainako;
Toa masoandro diva hitranga,
Takontakona fipetraka.
Misoritra eny an'endrikao,
Miran-dava sy sariaka,
Ny diom-pitiavana katsahiko;
Atosaky ny masonao,
Mihantahanta fibaliaka,
Ka mambabo ny fanahiko.
Ny fihetsikao mirindra,
Maontimaontina fidola,
Mampiseho ilay raki- miafina;
Diamondra tsy azo afindra,
Sarobidy tsy azo am-bola,
Toetra tiako hotahafina.
Ny "Ianao" manintona ahy,
Dia "Ianao" tsy hita maso,
fa mandreraka ny fo;
"Ianao" voakoja tsara
tahy,
Mamiratra fangasohaso,
Manjelatra toa vatosoa.
"Ianao miatrika fijoro,
Anaty tsiky tena miavaka,
"Ianao" mirehi-tsy voadoro,
manana afo tonga ravaka,
"Ianao mitafy fahadiovana,
Voatenonao hatram'izay;
"Ianao tsy ho ravam- pahalovana,
Haharitra mandrakizay..!
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIANAIVO PAUL

Nampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 18/09/2020
Mpamangy : 490
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Ny AnjaraTENA FITIAVANA
TSIKY TOMANY
FAHATSIAROVANA
MON AMOUR
RAHA MATY AHO
TIAKO NOHO IANAO
INDRISY MANTSY
DADA
TSY HAIKO