Ny Anjara - ANDRIANAIVO PAUL
Azo vakiana?
Aiza ny anjara izay hoentin'ity fiainana,
Mampitoloko irery tsy misy hitarainana,
Ny hoavy toa maloka manetry ty fanantenana,
Mibahana ny saina tsy misy handrandraina...
Aiza ny anjara toa sento sy alahelo,
No injay vetson'ity foko mamerovero,
Ny lasa manjary ratra ka mitoetra,
Mandrotika ny fo mitady hitroatra...
Aiza ny anjara fa toa miha alavitra ny fiainako,
Ilay masoandro nandrandraina hamelona ny fanahiko,
Toa simba ny fo sy ny saina maty manantena,
Fa kay moa lavitra sy midezaka ilay fandresena?.
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIANAIVO PAUL

Nampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 23/10/2019
Mpamangy : 515
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY IANAOTENA FITIAVANA
TSIKY TOMANY
FAHATSIAROVANA
MON AMOUR
RAHA MATY AHO
TIAKO NOHO IANAO
INDRISY MANTSY
DADA
TSY HAIKO