You are here: home > Vetso

RAHA MATY AHO - ANDRIANAIVO PAUL

Azo vakiana?

   Raha maty 'zany tenako,
Aoka tsy hitomaniana,
'Lay tranobongo izay fonenako,
No aoka kosa ho vangiana,
Fa voarakitara ao daholo,
Ny fiaimpiainako manontolo...

   Raha maty 'zany tenako,
Aza saloran-damba mainty,
Fa lamba fotsy mangoratsaka,
No andrakofy ny fanahiko,
Efa vonona hikatsaka,
'Lay hany tena fiadanako...

   Raha maty 'zany tenako,
Aza entina am-piangonana,
Na hitadiavam-pasan-drazana,
F'aoka lohasaha mangina,
Tany kisolo sy efa ngazana,
No mba handevenana ahy...

   Ka tsisy hahalala intsony,
Na ny tantarako na ny fianako,
Na ny anarako na ny fisainako,
... Indrindra fa ny fasana hilevenako...!

    02/11/2016

Hametraka hevitra

Midira aloha