You are here: home > Vetso

TIAKO NOHO IANAO - ANDRIANAIVO PAUL

Azo vakiana?

   Tiako mihoatra noho ianao,
Reo voninkazo an-jaridaina,
Raha mamelatra
ny felany,
Amin'ny tsikin' ny maraina...

   Tiak  mihoatra noho ianao,
'Zato siokam- borinkely,
'Zay toa tsy fantatro,
Ho sarobidy velively...

   Tiako mihotra noho ianao,
Ny voary manontolo,
Asa tanan'ny Nahary,
Tsy mba mety bobongolo...

   Eny tiako noho ianao ,
Iry masoandro mpanazava,
Sy ny volana baliaka,
Na @ haizin-kitroka aza....

   Koa raha ny fonao rahavako,
No tsy tianao mba ho ahy,
Ento lavitra ny tavako,
Fa mandrotika ny fanahy...

   18/02/2017


Hametraka hevitra

Midira aloha