IFONAKO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IFONAKO!

Ifonako tokoa:
ireo zavatra rehetra!
Tsy nitondra soa
fa nandalo tsy nitoetra.

Ifonako ireo ditra:

Nampangaihay sy nampipitrapitra!
Hialako ny hadalana
fa hosoloiko toetra tsara.

Ifonako ireo andro lasa:
Nitondra alahelo sy nandratra.
Hosoloiko andro vaovao:
Hampitsikitsiky anao.

Ifonako zay tsy nety:
ka nitondra alahelo ho anao.
Ary Hiezaka aho tsy hihoam-pefy:
ho tonga olom-baovao.

Ifonako ireo zay tsy vitako:
Noho ny hadalana sy ny ditrako
Ka hiezaka aho tsy ho kivy;
hanatanteraka ny adidy.

MamelĂ  ny fahadisoako:
fa tena diso re ny tenako!
fa hiezahako mba hanoloako:
ireo andro lasa nanenenako!

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
1388 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105