RAY AMAN-DRENY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
RAY AMAN-DRENY
Ireo ray aman-dreny, masoandro amam-bolana,
Voalaza matetika anaty hainteny, ohabolana.
Tsy tsinontsinoavina, na iza hiteny na iza hivolana;
Fa hajaina sy toavina, tsy hisian'ny olana.
Ireo ray aman-dreny niady mafy, nioitra ho anao,
Hatramin’ny ianao vao teraka, ka hatramin’izao.
Matetika no nihafy, nandry fotsy, mba anananao,
Fiaina-milamina, mahomby, fa tsy “be lazao”.
Ireo ray aman-dreny loham-pianakaviana,
Apetraho avara-patana, aza varimbariana.
Izay ny toerana sahaza azy fa tsy fanambaniana;
Amin’izay izy ireo variana sy tena sondriana.
Ireo ray aman-dreny, raha, mbola velon’aina,
Tokony homena ny hajany, tsy tevatevaina.
Karakarao tsara na mazoto, na malaina;
Satria raha lasa izy ireo, ianao no hangaina.
Ireo ray aman-dreny, nahitana masoandro;
Mila tsinjovina, jerena isan’andro isan’andro.
Tsy havela ho irery amin’ny andavan’andro;
Satria madiva hilentika ny tana-masoandro.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
06 Desambra 2010
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 06/12/2017
Mpamangy : 1823
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
INY TSIKINAO INYHIARAKA ISIKA ROA
SAINTSAINO KELY FA ...
NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
FITOPOLO TAONA ANDROANY
ZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MILA TONGA SAINA!
MANINONA HOY AHO?