Embona (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy handry ny hariva.Ho tojo ny maraina.Ny alina mangina.Ahitana anao hiantaina.

Dia toa lava ny alin'ny ririnina.Fa feno seto lalandava.Feno sedram-piafiana.Ny fiandrasana mazava.

Fa feno ny endrin'izy tokana.Ny ora,ny andro , ny alina.Ny fiainako eto antany.


Dia tonga ny maraina,misandratra ny andro.Fa mbola rakitra ao antsaina.Ny feony tonga aty manambitamby.


Dia tonga indray ny folankandro.Indro tazako eo anila.Ny fahatsiarovana.Ny feonao tamin'ny nianatra hira.


Ny alina mangina,rakotra alahelo.Indrao mamerovero.Ny alahelo anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1059 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : rantsanaambodiala
Daty : 22/08/2018 07:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142