You are here: home > Vetso

Fahazazana - Anj'art Nantenayna

Azo vakiana?

Mitahiry sombompiainana ato ampoko
Izany andro fahazazana
Fony zaho miakanjo mavo sy maloto
Mibongo tsy mahafantatra hafanana


Fa nanosika biriky
Nitaingina kalesa
Kivarivary sy tanisa
Sy ny ambiny rehetra


Vao tonga ny amin iray
Avy any ampianarana any
Apetraka ny kitapo
Ka lasa mienjy any antsaha any


Dia mamalivaly an i neny
Mahatezitra an i dada
Milalao fotaka , mandoto ankanjo
Tsy tsaroko intsony angamba


Indraindray makany antsaha
Atao miandry omby
Dia lasa mampitondraka
Satria variandalao

Sokajy : rindra

Hametraka hevitra

Midira aloha