You are here: home > Vetso

Fanadinana 2018 BACC - Anj'art Nantenayna

Azo vakiana?

Mahatsiaro tohina ny foko.Mandreha ny manodidina.Mikorana ,ravo sy mandroso.Fa afampanadinana.

Fa zahay tsy mba tafiditra.Tsy nizarana ihany koa.Fa navela teo ho ringitra.Navela tsy nasiana soa.

Izy ireny hono mantsy.Mpianatry ny fanjakana.Ka tsy foiny sy tsy ho taty raha toa ka tsy ho hafahina avy hatrany.

Dia nozaraina maimaimpoana .Ny bacc ho an'ny sasany.Na teo aza ny fotoana .Maro tsy nianarana.

Fa zahay teo ankilany.Toa nifofotra sy niaritra.Zay sekoly iray tsy miakina.Indrisy tsy nisy afaka.


Ry mpitondra fanjakana.Sanatria tsy rediredy.Nahoana laotra re ny fahaizanay. No hanakoman eloka noho ireo grevy