ALEOKO.....!!!! (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO.....!!!!
Manadala ny mitia
Mampanjombon-dava izao
Ary koa mankahia
Tsy ahavitana zay atao

'Lay mitia ambara eto
Dia hazavaiko aminao
F'ilay fitia mampisento
Satria atao kilalao

Mitia nefa tsy hajaina
Ka tonga fiferotan'aina
Fitia atao an kilabao
Mandratra fo ka ialao

Aza mihevitra akory
Hamaly faty na hitory
Fa andraso f'aoriana
Handatsa azy ilay dina

Eny tsapanao tokoa
Fa ny fiainanao dia banga
Nefa atrakao ny loha
Raha toa ianao ka TSY NIJANGA

A LEO misaraka no tsara
Raha tsapa ratsy lay anjara
Ny tokatrano fihafiana
Fa tsy natao hijaliana

Tena hitondrana ratram po
Zany hoe misara bady
Fa RAHA HAMONO AHAFATY
ALEO tapahina ny tady

Omeo azy ny tso drano
Hanavao toka trano
Fa ho anao hatreo ny ady
Ka tandrovy ilay voady

Aoka kosa tsy omen tsiny
Ireo mifikitra @tiany
k a mivonona ny ahatanty
Sy misotro ny ALEOKO maty
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
2914 1
Hevitra mandeha
endrika01 ( 06/07/2009 17:59)
Mahereza ankia a,mbola hanenina izy any aoriana!
Lay zanakao jerena,fa io no hany harena!Sarobidy nohon ny volamena.
ANJARA7 ( 08/07/2009 13:17)
fa mety tara loatra!merci a toi!
Zozoro ( 09/07/2009 13:18)
Nodiany nirefarefa teny ianao..
Nodiany nomena fitia....

Tanala very sampy ka ny manova no mety.
ANJARA7 ( 11/07/2009 11:22)
zay mihintsy aky zozoro a!misaotra !ny faniriana mbola hifankahita .....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 06/07/2009 14:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01