SOMBINAIKO (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry sombinaiko
Tiako ianao satria niriko
Tiako ary antenaiko
Hampody ndray lay fifaliako

Ny fitsikinao dia mamiko
Ny fiteninao lalaiko
Ny anaranao dia tsy indramiko
Fa ventsoiko sy hiraiko

Mahafaly maharavo zany iantsapazanao
Mahaketraka ny fo zany tsy eo anilanao
Toky anefa ho anao fa na lavitra aza aho
Dia ilay fitiavan dreny tsy miala aminao

Ny mba hany faniriako sy angatahiko aminao
Dia hitazona hatrany ireo anatra natao
Mino aho f'ilay tsitoha dia miaraka aminao
Hanome fahendrena ary koa ho andrinao

Ambarako eto r'ilay tiako
Na tsy eo anilako aza ianao
Ny endrikao lalandava
No ao anaty masoko ao

Tiako ianao r'ilay anjarako
Tiako ho ahy samy irery
Tiako hanambara ny tantarako
Fa tsy nanary anao aho katsy ho very
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2366 2
Mpakafy: endrika01 - ANJARA7
Hevitra mandeha
endrika01 ( 06/07/2009 17:39)
Sambatra ilay sombin ainao mahazo io vetso io.
ANJARA7 ( 08/07/2009 13:16)
misaotra aky endrika a!
benasy ( 09/07/2009 15:15)
Mamy ny zanaka ka ahafoizana tena fatratra....Tiako ilay vetsonao!
ANJARA7 ( 11/07/2009 11:23)
misaotra anao nankasitraka benasy a!tena mamy ny zanaka marina zany!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 06/07/2009 14:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144