MANDALO (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsarovy fa mandalo
Izao hitanao izao
Ilay endrikao kanto
Dia hiserana handao

K'araraoty ny fotoana
Dia tandremo ny hadalana
Fa na ho haigana na ho ela
Tsy maintsy handalo fitsarana

Dia mahaiza re mifaly
Amin'izay hanananao
Miareta mionona
F'efa io no anjaranao

Alaviro andosiro
Zay hanome adi- tsaina
Hanasarotra ny fiainanao
Sy ahatonga ny taraina

F'izao tontolo izao handao
Tsy aharitr'ho doria
Ka hono ho'aho ry namako o!
Tsy aleo ve mifankatia!
--------
Rohy:
Sokajy : embona - fiainana
2057 2
Mpakafy: ANJARA7 - ialinirina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 16/08/2009 12:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159