LAVO??? (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVO???
Andry toky nandrandraina,fa hihaino lay taraina
No indro fa nivena,ka nidaboka nianjera
Dia noelohina hoe diso,ny sainy hono maramara
Tsy hanankinana ny ampitso,fa ny tantara no aoka hitsara

Izy zany no ilay lavo?fa nilofika niantonta
Dia nitora bato ianao,satria ianao tsy mba nanota?
Aza maika hanakora,raha mbola madian tany
Sao na lavo aza izy mbola hiarina ihany

Inona no antsoina hoe lavo,ireo lazaina ho mavomavo?
Sa ny potraka nianjera,ka mila tsy ahari tena!
Ho lazaiko zay mba fantatro,fa tsi ireo no tsy ho tafarina
Fa ny lavon'ny adalana,ka tsy miezaka hiarina

Aza variana mitsara reo lazainao fa lavo
Fa ny mombanao tandrovy dia ny voninahitrao ho avo
Ny fandavanao lay ratsy no tsy ahalavo anao eto an tany
Fa potraka im pito anie ny marina e!fa tafarina ihany

"Fa potraka im pito ny marina,nefa tafarina ihany"(ohabolana 24-16(a) )
--------
Rohy:
2337 1
Mpakafy: ANJARA7
Hevitra mandeha
Zozoro ( 09/07/2009 13:15)
" Tsy hoe izay tsy tsontsa no tena olo-marina
Fa ireo lavo ka miarina.."
mirananirina ( 10/07/2009 11:57)
marina tokoa izany voalazanao izany
ANJARA7 ( 11/07/2009 11:20)
refa manao ny marina ,tafarina fona ry namako o!misaotra
Mysento ( 02/08/2009 12:04)
raha lavo,miarena ;fa izay no fahendrena!
ANJARA7 ( 02/08/2009 12:37)
matezaha ny aina ahita ny farany!mysento a!
tiff ( 26/12/2009 13:51)
mlay aky le hafatra a, marina ny anjy.
Jock ( 27/01/2015 06:19)
kodiarantsarety ny fiainana ka sao izy lavo nenjehina no tafarina fa ianao nanenjika indray no lavo ka dia anahirana ny fiainana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 06/07/2009 15:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173