TOKY (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ho mafy na ho mora
Dia tazoniko ilay dina
Fa ny antsika ho mandra-maty
Ka matokia re ry tiana

Tano mafy ny finoana
F'izaho manaja ilay voady
Ka na be ireo mpanakora
Vonona aho ny hiady

Aza be ahiahy
Na koa manary toky
F'ataontsika miala maina
Izay misora-tena ho mpisoloky

Ka tafio ny herin-tsaina
Fa ny tanjona dia iray ihany
Hiaraka ,hiara-dia
Raha samy mbola eto an-tany

Ka raha sendra ilay olana
Aza mora kivy koa
Ilay hiran'ny fitia
No ventsoy ao am-po

Ka na mafy aky namora
Zany dia ysy maintsy ho tody
Ka ny hira ho ventsoina
Ry lanitra o!mba arovy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2813 2
Mpakafy: ANJARA7 - ialinirina
Hevitra mandeha
endrika01 ( 17/08/2009 06:59)
Mafy refa tia,fa moa ve mba tsapany ankilany koa izany!
ANJARA7 ( 17/08/2009 11:12)
tsy maninona na tsy tsapany aza ,tia aloha de izay!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 16/08/2009 13:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137