JERY (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JERY
Ny fijerinao ahy dia mambabo ny fanahy
Nefa koa indraindray ,maha velon'ahiahy
Toy ny taratra maraina r'efa njay ianao fa faly
Tena sahiko lazaina ,fa lavitra ahy zany jaly

Ndrindray kosa anefa,ny masona toa mankalao
Toa milaza manambara fa mifosa ny sainao
Asehony mibaribary fa ny fona mankahala
Ka mitondra @ady sao ianao tsy mahalala

Aoka koa tsy afenina
Famitondra @nenina
Ny fijerina raha diso
Ka hamotika ny ampitso

Io masonao io koa ,dia fitaovana iray
Ampintsiriritra anao,hanome fakampanahy
Ka ho alanao ve ,ty mba anatro aminao
Tsy aleonao tsy mijery!raha zay no tsy ahavery anao

Tadidio ry sakaiza f'io fijerina io
Dia porofo manambara nyfisainanao madio
Ka raha azonao atao,hatsarao ny jerinao
Dia ho eo @endrikao ny hazavana anatinao
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 05/07/2009 13:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096