You are here: home > Vetso

ATERIN'ETO - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

Aza sodokin'ny ATERIN'ETO;
Maro no loza afitsony eto...
Dradradradrain'izy ho mahasoa;
Papango mipaokan'ny zanak'akoho!

Ireo nentin-dRazana:indrisy tsy hita!
Ny maha Gasy antsika: madiva ho ritra!
Ny ATERIN'ETO no indro manjaka,
Gasikara zanahin'ny riban'ny hafa...

Ny endriny ivelany : tsy misy tomika.
Ny rehetra karohina: tsy misy tsy hita.
F'ireo tsara randrana eto amin-tsika;
Entiny ampita, tovoziny ho ritra!

Topazo maso ny tanin'ny tena;
Ramaintsomavana ef'ho ramena.
'Reo kolontsaina; nahazatra tao:
Toa hazo bobokin'ny kalalao!

Ry vahoaka tony, ry vahoaka hendry!
Tanindrazanao re, az'avela ho remby...
Mitodiha, sokafy ny mason'ny saina;
Aza manaiky ho zimbazimbaina.

Ny maha Izy Anao, ny tsara navela;
Asandrato isan'andro; aza hosihosena!
Fa ny ATERIN'ETO toa meva banjinina:
Mora mihintsana rehefa ririnina!!

ANJARIVO Ronsard ( 02/03/06 )