NY FIADANAKO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiadanako?
Tsy vola be am-bata
Tsy trano valo zoro
ka hanabotsin-tratra
Sy hampihorohoro

Ny fiadanako?
Tsy haingo be marevaka
An-tanim-pampitaha
ka hampitalapetraka
ny mason'ny mpizaha

Ny fiadanako?
Tsy saina italanjonana
fahaizana igagana
ka hampitonatonana
tampohim-pahefana

Ny fiadanako?
Tsy bika aman-tarehy
miavak'amin'ny maro
hanaovam-para-hehy
sy eso mifangaro

Ny fiadanako?
Tsy fiara be mirenty
am-polony fanisa
ho enti-mikarenjy
Tsy izay no paradisa

Fa aina iray nomena
nomena an-karavoana
tsy saina noterena
fa setrin'ny fitia
tsy jamba fa ninia

Nomena ankahery
'ty nofo savolaina
Hanova ny fijery
Hianoka maraina

Hery hitaona anao
Hatsapa sy handray
Dieny anio izao
ilay Fitiavan-dRay

Ny fiadanako?
Ilay Teny tonga nofo
Mitoetra ato anaty
Tsy miova tsy miofo
Aina mandra-maty!
--------
Rohy:
1493 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103