RAHA TSY EO ANILANAO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahavaratra ny fiainako raha tsy eo anilanao
Oram-batravatra lava tsy ahafaha-milalao
Ny farafara no sakaiza, lelan'afo no amindroana
Ao an'efitranoko ao, ivalaparan'ny amandoana

Rehef'injay mikotro-baratr'ao antokotaniko ao
Mitampify an-joro trano aho fa tsy eo akaikinao
Raha mitsahatr'iny avy eo ka mitony izany saiko
Mba hivoaka hanary dia; rako-potaka ny ombaiko

Fa ianao no lohataonako, lohataonam-pifaliako
Mpampisinda ny alahelo, mpampisinda ny akiviako
Hary* avo manazava, mamaf'ireo fanaintainana
Gina manoloana anao ny oram-baratry ny fiainana

ANJARIVO Ronsard

* Hary = Masoandro ( ohatra: hariva= hary + iva= Masoandro iva )
--------
Rohy:
1690 1
Mpakafy: dano
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148